Korea avaratra: Tsy voafehy fa maditra loha

  • jeudi, 30 novembre 2017 14:10
  • Tigre
  • Sary nindramina Le Monde

ny talata teo dia nandefa missile indray i Kim Jong-Un, ary tafakatra ambony tokoa, ary mety ahatody ny firenena Amerikanina raha ny voalazan'ny fampahalalam-baovao Korea avaratra.

Nilaza moa ny televizionina Korea avaratra fa azony ampitondraina baomba atomika hamotika an'i Amerika io.

Namaly kosa i Donald Trump fa dia ho karakaraina ny momba an'ity Korea Avaratra ity, izay namafisin'ny ambasadoron'ny Amerika teo anoloan'ny Firenena mikambana nivory omaly alarobia 29 novambra, fa raha ady no tadiavin'ny Korea Avaratra dia ho potehany tanteraka i Koréa. Mitaky ny Firenena rehetra anafay an'ny Korea moa ny Amerikanina, indrindra niantso ny Sinoa mba tsy amatsy solika intsony an'ny Korea avaratra ka anao fahy rano azy.

Namaly moa ny Sinoa fa tsy tokony hisy ady aty amin'ny faritra misy an'i Korea.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.