Fianarantsoa: Voafidy tamin'ny vato manankery 43 ny mpikambana ao amin'ny CSM eto an-toerana

  • vendredi, 10 novembre 2017 08:06
  • Britto

57 ireo anaty lisitry ny mpifidy ny 07 novambra lasa teo, 56 no vato manankery, 08 no isan'ny birao fandatsaham-bato ato amin'ny sampana Fitsarana aty Fianarantsoa.

Lany amin'izany toerana izany i ramatoa Harimalala Marie Laure. Izy no filohan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto an-toerana.

Roa izy ireo no nifaninana tamin'ny fifidianana izay ho solontena ao amin'ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) na Filankevitra ambonin'ny Mpitsara.

Tontosa tsy misy fanoherana ny vokatra izany rehetra izany teto Fianarantsoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa