Ady amin’ny pesta: Nanome iray tapitrisa dolara indray ny Amerikana

  • lundi, 06 novembre 2017 17:29
  • Britto

Nanolotra fanohanana ara-bola fanampiny mitentina iray tapitrisa dolara ho an’ny governemanta Malagasy hiatrehana ny ady amin’ny valan’aretina Pesta ny Masoivoho Amerikana Robert Yamate sy ny Talen’ny USAID Michele Godette androany.

Na dia efa manomboka mihalefy aza io valan’aretina io dia manohy hatrany ny fanohanana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiaramiombon’antoka amin’ny ady atao amin’io valan’aretina io ny governemanta amerikana.

Tamin’ny fanombohan’ity valan’aretina ity dia efa nanome fanampiana mitentina 500 000 dolara ny governemanta amerikana.

Commentaires (85)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.