Pesta: Namono mpianatra iray amin’ny sekoly Katôlika

  • vendredi, 03 novembre 2017 11:08
  • Zakaria

Araka ny tati-baovao hita ao amin’ny pejy fesibokin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia Mpianatra iray, classe de 8ème tao amin'ny sekoly Katolika "Jean 23" Isotry no voamarina fa namoy ny ainy noho ny aretina pesta areti-tratra ny sabotsy 28 oktobra 2017.

Nianatra ity zaza ity ny alarobia 25 oktobra ary nahiditra hopitaly ny alin'io. Efa nandray ny fepetra manoloana izany moa ny tompon'andraikitra. Misy moa ny "médecin inspecteur" izay manara-maso ny fitsaboana an'ireo ankizy iray kilasy tamin'ilay zaza.

 

Commentaires (123)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.