Aéroport Antalaha: Very ny entan’ny mpandeha

  • vendredi, 29 septembre 2017 09:16
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voatery nozaraina roa ny lavanila an’ity mpandraharaha iray niainga tao amin’ny seranam-piaramanidina Antalaha niazo an’i Mananara Avaratra, fa tsy zakan’ny fiaramanidina indray miaraka.

Lasa niaraka tamin’ny tompony ny ampahany voalohany ny 25 septambra teo. Ny ampitson’io vao tonga tany Mananara Avaratra ny ampahany faharoa, saingy nahabangana ny lavanila.

Tsy nanaiky ilay mpandraharaha, ka naverina tao Antalaha ny entana, ary nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana avy hatrany izy. Mpiasa maromaro ao amin’ny Aéroport Antalaha no voasaringotra amin’ity raharaha ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.