Toamasina: Nisy olona roa indray matin'ny pesta mpahazo ny tratra

  • lundi, 25 septembre 2017 18:17
  • Zakaria

Ny sabotsy teo no nahafaty ireo olona ireo. Ny zoma omalin'io dia nisy olona iray 30 taona niditra hopitaly tao Morafeno.

Raha nozahan'ny dokotera tao izy dia fantatra fa pesta amin'ny tratra no nahazo azy ka nalefa haingana teny amin'ny hopitaly be Toamasina. Ny sabotsy anefa maty ity olona ity.

Nofantsihana tsy azo andraisana marary ny efitrano nandraisana azy teo anivon'ny hopitalin'i Morafeno.

Nisy marary iray, 25 taona, avy hatrany dia nentina teo anivon'ny sampana mpitsabo ny aretin-tratra ao amin'ny hopitaly be noho ny fahitana ny aretiny tsy nifanalavitra amin'ny fitrangan'ny pesta amin'ny tratra. Maty ny sabotsy ihany koa ity olona ity.

Efa samy nalevina nanaraka fepetra ara-pahasalamana avokoa izy roa ireo.

 

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.