Fianarantsoa: Miverina ny delestazy

  • vendredi, 22 septembre 2017 15:45
  • Zakaria

Tsy mifidy lera intsony fa miseho amin'ny ora rehetra ny fahatapahan-jiro amin'ny toerana sasantsasany eto Fiaranantsoa. Misy voka-dratsiny eo amin'ny fandraharana izany, miatraika amin'ny fiambenana amin'ny alina.

Telo herinandro eo izao no nanombohan'ny delestazy eto an-toerana. Nisy fotoana efa nikatso nandritra ny ora fandoavana vidin-jiro ny herinaratra teny amin'ny foiben'i Jirama ka naato kely ny fanaovana izany. Nahatsikaiky ny mpanjifa ny toe-draharaha tamin'io fa amin'ny andavanandro kosa dia miaritra fatapahanjiro eo amin'ny adiny iray mahery eo ny isaky ny tokatrano isan'andro.

 

Commentaires (4)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.