RN 10: Fiara TATA nivadika, nieren-doza ireo mpandeha 30 nentiny

  • dimanche, 17 septembre 2017 22:17
  • Zakaria
  • Sary nomena

Fiara mpitatitra niala tao Toliara hiazo an’i Ejeda ity niharan-doza ity, vokatry ny haratsian-dalana. Tao anaty haizina no nitranga ny loza. Nampidinina ny mpandeha rehefa hiditra lalan-dratsy ilay fiara. Rehefa nitongilana anefa ilay fiara dia naronjon’ny entan’ny mpandeha tao ambony tafo, ka iny no nitarika azy hivadika. Nisy fahasimbana ilay fiara, nieren-doza kosa ireo mpandeha.

 

Commentaires (48)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.