Amborovy Mahajanga: Nahitana trangana pesta

  • jeudi, 14 septembre 2017 10:56
  • Zakaria

Tonga aty Mahajanga ihany koa ny valanaretina pesta. Voaporofo omaly fa aretina pesta no nahazo ilay renim-pianakaviana iray mponina eny amin'ny fokontany Amborovy rehefa natao ny fizaham-pahasalamana.

Avy mamonjy fatin'ny havany tany Toamasina ity renim-pianakaviana ity raha ny fanazavan'ny fianakaviana. Efa manaraka fitsaboana eny amin'ny hopitaly manara-penitra ity farany amin'izao ary efa nisy ny fepetra noraisina toy ny fandrarahana DDT, ny fanadiovana ny trano fonenana sy ny manodidina.
Efa nomena fanafody ihany koa ireo rehetra nifanerasera tamin'ny marary.

 

Commentaires (154)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.