Sambava: Tafakatra 25.000 Ariary ny plakety iray ny fanafody COTRIM

  • mercredi, 13 septembre 2017 22:23
  • Britto

Mitombo izay tsy izy ny vidin’ny fanafody COTRIM eto Sambava taorian’ny nandrenesana fa nisy tovolahy iray zanaky ny Faritra SAVA nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny aretina pesta.

Ny COTRIM no voatondro fa fanefitra amin’ity valanaretina pesta ity ka samy manao dokotera tena ny olona ary be ihany koa no manararaotra ny zava-misy, satria dia misy mivarotra ity fanafody ity hatreny an-tsenan’Antanifotsy Sambava, ary amin’ny vidiny midangana.

10.000Ar amin’izao ny iray plakety ary tafakatra 25.000 Ariary any ambanivohitra raha 1.200 Ar izany eny amin'ny Farmasia.

 

Commentaires (7)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa