Antsohihy: Nanjavona tao anaty lisitry ny horaisina mpampianatra izy 18

  • mercredi, 13 septembre 2017 13:51
  • Britto

Havorin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ao Antananarivo avokoa ireo mpampianatra FRAM horaisina ho mpampianatra raikitra. Andiany faha-4 izy ity, ka hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 15 septambra izao ny lanonana fanomezana azy ireo ny "contrat de travail”.

Nitrangana zavatra hafahafa teto Antsohihy satria dia nisy mpampianatra nanjavona tao anatin’ny lisitry ny hiakatra ao Antananarivo handray io fifanarahana arak’asa io ny anarany. Miisa 18 izy ireo, raha toa ka 102 isaky ny Faripiadidiam-pampianarana, miisa 7 aty amin’ny faritra Sofia, no noraisiny tamin’ity.

Efa niomana fatratra anefa, nividy akanjo t-shirt 11.000 Ariary isan’olona, sarandalana 80.000 Ariary isan’olona nefa tsy niainga niaraka tamin’ireo namany omaly. Nisy koa ny efa naka vola be tany amin’ny banky, satria nentanina avokoa hanokatra kaonty amin’ny banky ireto mpampianatra vaovao vao horaisina ireto. Voatery mifampiraharaha amin’ny banky, ny amin’ny fomba hamerenana ny vola izy ireo amin’izao sady itambesaran’ny hakiviana sy fahadisoam-panantenana.

 

Commentaires (76)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa