Fianarantsoa: Naseho eo ambany faneva ny zazavao miisa 108

  • dimanche, 10 septembre 2017 18:23
  • Britto

Tsy misy hatreto ny "ré-engagement" an'ireo zazavao namita fanompoam-pirenena mandritra ny roa taona, hoy ny Komandin'ny Faritany Miaramila faharoa.

Fa atao vina kosa hoy izy ny fijerena manokana azy ireo mba tsy hanatevin-daharana ny dahalo. "Reconversion" no iantsoany an'izany. Lahateny notontosaina ny andron'ny famoahana ny zazavao teny amin'ny SEkoly MIaramilam-PIrenena (SEMIPI) ny marain'ny zoma 08 septambra no nahenoana izany.

47 no isan'ireo zazavao avy ao amin'ny SEMIPI, 61 kosa avy ao amin'ny 1/RM2.

Marihina fa manana iraka manonkana amin'ny asa fampandrosoana amin'ny alalan'ny fiompiana sy fambolena ireo hery famokarana avy amin'ny 1/RM2, ankoatry ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

 

Commentaires (44)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa