Maroantsetra: Ankizy vao afaka Bacc nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

  • jeudi, 07 septembre 2017 19:59
  • Britto

Hita faty androany maraina teo ilay tovovavy, 20 taona, nanao fety mariky ny fahafahany Bacc niaraka tamin’ireo namany omaly hariva. Mbola avy tany ampiangonana izy omaly hariva dia taorian’izay vao nandeha namonjy ny lanonana. Tsy fanaony anefa ny mandeha mandra-maraina hoy Ranasy, reniny.

Nony maraina ny andro dia fampilazana no nanaitra fa maty mihohoka anaty lakandrano i Ladou, mpianatra tao amin’ny sekoly tsy miankina Soafaniry Maroantsetra. Nandeha ny ahiahy fa niharan’ny fanolanana izy ary efa tsy nahitana lamba ny tapany ambany.

Efa noraisin’ny mpitandro filaminana aty an-toerana ny fanadihadiana lalina momba izany ary efa karohina ny namany izay niantso azy farany nialohan'ny nialany trano handeha hamonjy lanonana.

 

Commentaires (74)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa