Mahajanga: Zazavavikely 03 taona naolan'ny sipan'ny reniny

  • jeudi, 07 septembre 2017 19:13
  • Britto

Sipan'ny reniny ihany no nanampatra ny habibiany tamin'ity zazavavikeky vao 03 taona monja ity, ny 01 septambra lasa teo.

Teny an-dalana hihazo an'i Mahajanga no nanamparany ny filany raha iny nijanona teny Ambovondramanesy iny ny fiara nitondra azy ireo.
Tsy salama ny renin'ilay zaza, izay nipetraka teo amin'ny seza anoloan'ilay fiara, ka ilay rangahy no nitondra ilay zaza nivalan-drano ary tany no nanararaotany nanolana ilay zaza, izay nentiny niaraka lavitra mihitsy.

Tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy raha tsy ny alin'io efa tonga taty Mahajanga vao nitaraina tamin'ny reniny ilay zaza fa misy marary ao amin'ny fivaviany. Nanomboka tamin'io no tsy hita ilay rangahy ary mbola karohin'ny mpitandro ny filaminana.

Fianakaviana sahirana ity niharan'ny fanararaotana ity ka tsy nahalala ny toerana tokony hanatonany, hany ka omaly vao nahazo fitsaboana sy fandraisana an-tanana eny amin'ny Centre Vonjy eny amin'ny hopitalibe Androva ilay zaza.

 

Commentaires (52)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.