Air Madagascar: Mpandeha teto Toliara hiazo an’i Tolagnaro, mbola nentina ao Antananarivo

  • jeudi, 07 septembre 2017 19:11
  • Britto

Fijaliana ny an’ireo mpandehan’ny kaompania Air Madagascar nividy tapakila teto Toliara, tokony hiazo an’i Tolagnaro omaly alarobia.

Nilaza ity kaompaniam-pitaterana ity fa misy fiovana ny sidina ka mandeha any Antananarivo aloha ireo mpandeha ireo ka raisin’ny Air Madagascar ny fiantranoan’izy ireo mandritra ny alin’ny alarobia io.

Gaga ireo mpandeha nony tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato fa mihidy avokoa ny birao izay voalaza fa hamantanan’ireo mpandeha ka tokony hikarakara azy ireo. Nisy zaza menavava mbola enim-bolana anefa tamin’ireo mpandeha ireo.

Efa tamin’ny 11ora alina ireo mpandeha ireo vao nampidirina tamina hotely teny Talatamaty, ary androany alakamisy atoandro vao nandeha ny sidina niazo an’i Tolagnaro.

 

Commentaires (5)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.