Matsiatra Ambony: Nofoanana ny Diorano Wash fa mitohy ny asa

  • jeudi, 24 août 2017 14:23
  • Britto

Tampoka tamin'ireo mpikatroka ifotony ny fanambarana nataon'ny Minisitry ny Rano momba ny fanafoanana ny Vovonana Diorano Wash. 35 no isan'ireo fikambanana sy tetikasa mandrafitra ny sampana eto Matsiatra Ambony.

Samy an-dalam-panataterahana ny sahan'asa araky ny iraka sy tanjona tratrarina avy izy ireo mandray izao fanapahan-kevitra midina avy any amin'ny ministera izao. Maharitra hatrany amin'ny taona 2020 raha ny fandaharan'asa iarahana amin'ny Grand Lyon.

Tsiahivina fa misehatra amin'ny resaka fampidirana rano fisotro madio, fidiovana ary fanadiovana ireo mpikatroka ireo.
Maro ny mpamatsy vola toa an'i Water Aid.

Ankehitriny dia miteraka baraingo eo amin'ny antony mazava momba io fanafoanana ny vovonana io ireo mpandrindra tetikasa isa-tokony ka hikaondoha manonkana entina miatrika ny fanohizana ny asa.

Etsy an-daniny dia mijanona ao anaty fahanginana ny tomponandraiki-panjakana izay nanankinana ny fitantanana io tambazotra io. Ka tsy mazava amin'ny rehetra ny fomba fiasa vaovao entina mandamina ny fifandraisana amin'ny minisitera.

 

Commentaires (108)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.