Antsalova: Lehilahy iray maty notifirin'ny dahalo, telo hafa naratra mafy

  • mercredi, 02 août 2017 20:46
  • Britto

Nidiran'ny dahalo ny fianakaviana iray teny Antsalovabe ny talata 1 aogositra tamin'ny 11 ora alina.

Maty voatifitra ny lehilahy iray, nivoraka ny tsinainy. Renim-pianakaviana iray kosa voan'ny bala eo amin'ny nonony sy ny tanany, zazakely iray voa teo amin'ny tanany ary lehilahy iray voa amin'ny tongony. Tsaboina ao amin'ny hopitaly Antsalova ireo maratra.

Omby 40 noraofin'ireo dahalo saingy niverina ny ankamaroany fa ny 6 no tena lasany.

Nanaradia ny Fokonolona ary mbola tsy hay hatramin' izao ny nihafarany.

Marihina fa Antsalovabe dia tokony ho 3 km miala an'Antsalova. Fokontany io ary io no niorenan'ny tananan'Antsalova voalohany tamin'ny fahavazaha.

 

Commentaire (1)
  • Correct Dosage Of Amoxicillin [url=http://cialtobuy.com ]cialis[/url] Che Cosa E Cialis Originale
    free shipping isotretinoin for sale legally
    E Testosterone Finasteride Propecia cialis Propecia Precio Comprar
    jeudi, 21 septembre 2017 03:47
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.