RN4-RN6 : Ho tapaka ny lalana ny alatsinainy 17 jolay 2017

  • samedi, 15 juillet 2017 09:38
  • Britto
  • Sary Sobika

Ho tokanan'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny alatsinainy izao ny tetezana Kamoro eo amin'ny RN4 PK406+300.

Koa dia tapaka tanteraka amin'ny fivezivezena ny lalana manomboka amin'ny 09 ora30 ka hatramin'ny 01 ora atoandro.
Voakasik'izany fahatapahana izany avokoa ny lalana
- avy any Antananarivo ho any Andranomamy RN4 PK 402
- avy any Mahajanga ho any Tsaramandroso RN4 PK 424
- avy any Antsiranana ho any Manerinerina RN6 PK 27

Tsy voalaza na misy fahazoan-dalana manokana na tsia ireo fiara mitondra marary.

Novatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola moa ity fotodrafitr'asa ity, izay natomboka ny 24 jolay 2015 ny asa, mitetina 14 tapitrisa dolara amerikanina tany ampiandohana, fa niafara tamin'ny 15.207.328,03€.

Mirefy 280m ny halavany, ary ilay tetezana Kamoro teo aloha dia tsy ravana fa ajanona ho vakoka ho rakitry ny ela.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa