Sambava: Tsy maharaka intsony ny famatsiana solika

  • jeudi, 13 juillet 2017 15:49
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

Nanomboka ny fihandohan'ny volana jolay 2017 ity dia ifandrombahana hatrany ny solika eto Sambava ary indraindray aza dia fifamaliana eny amin'ny toby mpaninjara solika.

Raha ny fanazavan'ny talem-paritra misahana ny fitaterana dia mitombo isa isan'andro ny fiara ka tsy maharaka ny solika.

Mandany 18.000 litatra isan'andro, isaky ny toby mpaninjara solika miisa efatra eto an-tampontanana. Tsy maharaka ihany koa ny sambo mpitatitra satria in-4 isam-bolana no tonga izy ireo ary dépôt tokana ihany, izay ao Vohémar no fitehirizana solika aty SAVA, satria ny any Antalaha dia tsy mandray sambo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa