Farafangana: Mikatona ny Lapan'ny Fitsarana

  • jeudi, 13 juillet 2017 14:54
  • Tigre
  • Sary nomena

Miditra amin'ny andro fahatelon'ny fitokonana ireo Mpitsara.

Ny eto Farafangana dia miombona tanteraka amin'ireo Mpitsara manerana ny Nosy, amin'ny tsy hitsabatsabahan'ny mpitondra amin'ny raharaham-pitsarana.

Aty Atsimo atsinanana dia nisy ireny fitsaram-bahoaka ireny hoy ireo Mpitsara mitokona, tsy mahagaga izy ireny satria tsy matoky ny Fitsarana ny Vahoaka. Fotoana izao hoy izy ireo ny anadiovana ny asam-pitsarana, ka ny marina tsy mitanila, filamatry ny Fitsarana no atao, fa tsy ny fanatanterahina ny teny midina sy fampitahorana avy amin'ireo mpitondra na any ambony, na ny eto an-toerana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa