Ambohimahasoa: Andian-dahalo 40 mahery namaly faty ny Fokonolona

  • mercredi, 12 juillet 2017 07:21
  • Britto

Nalevina omaly talata 11 jolay ireo valo mianaka lavon'ny dahalo tao anaty haintrano ny alahady lasa teo.

Nanao tampody ireo nahavanon-dratsy raha toa ka naratran'ny Fokonolona ny alarobia lasa teo nandritra ny fanafihana ny telo lahy tamin'izy ireo.

Tao Fiadanana Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony ny tranga no niseho, toerana avaratr'i Camp Robin izany.

Nahenoana poa-basy in-telo nisesy talohan'io fandorana trano nahafatesana 6 lahy sy 2 vavy iray fiankaviana io.

Mandry tsy lavo loha ny mponina manoloana izany satria mahatsapa miady irery na dia ao anaty hetsika fampandrian-tany "Mazava andiany faharoa" aza.

Isaka sy Ambohimahasoa sy ny manodidina, Isandra sy Lalangina no tena iasan'ny mpitandro filaminana raha ny fantatra. Mahazo an'i Ambatofinandrahana sy Manandriana izany hoan'ny ilany mahazo an'i Amoron'i Mania.

Mirongatra hatrany ny asan-dahalo ao Ambohimahasoa na dia napetraka tamin'ny fomba manetriketrika ny Dinan'i Matsiatra Ambony any an-toerana tamin'ny taona lasa.

Miandry vahaolana mahomby sy maharitra ny vahoaka mifanehitra mivantana amin'ireo dahalo arak'izany.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa