Antsohihy : Niampy efatra ireo voafonja namoy ny ainy

  • lundi, 10 juillet 2017 14:29
  • Britto

Voafonja miisa 4 tamin’ireo 12 nampidirina hopitaly eto Antsohihy, noho ny ratra nahazo azy ireo, tamin'ny nirodanan’ny rindrin-tranon’ny fonja ny sabotsy 08 jolay teo, no namoy ny ainy omaly alahady 09 jolay.

Tafakatra 08 izao ireo namoy ny ainy tamin’ity loza ity, ny 03 maty tsy tra-drano ny andron’ny loza, ny iray maty fotoana vitsy nahatongavan’ireo naratra niisa 12 tao amin’ny hopitaly, dia io niampy 4 io indray omaly.

Tamin’ny 1956 no niorina ny fonjan’Antsohihy, ka izay fahanterany izay no heverina fa nihavian'izao loza izao.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa