Maroantsetra: Tovolahy 19 taona maty teo am-panaovana adina ara-panatanjahantena bakalôrea

  • lundi, 22 mai 2017 18:07
  • Britto

Maty tampoka teo am-pahatongavana avy nanao ny hazakazaka 1.000m, taranja ara-panatanjahantena farany nataony i Marco, 19 taona mpianatry ny sekoly tsy miankina “La Lumière” eto Maroantsetra, ny zoma teo.

Vitany tsara ny taranja roa voalohany ary tsy hita soritra teny aminy ny olana nandritra izany, saingy nitambotsotra ho azy ny tenany teo am-pakan’aina taorian’ny fahatongavana nanao io hazakazaka 1.000m io. Raha ny tombana dia fijanonan’ny fo tampoka no nahazo azy.

Taorian’ity tranga ity dia nampitandrina ireo mpanao fanadinana bakalorea ara-panatanjahantena ny tompon’andraikitra ny sekoly samihafa sy ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, amin’ny fihinanana sakafo na zava-pisotro na fanafody mety mampatanjaka, fa mampidi-doza.

 

Commentaire (1)
  • Real Progesterone Visa On Line Levitra Generika Dosierung Aclepsa Buy Propecia [url=http://ciali10mg.com]buy cialis[/url] Cephalexin Free Shipping
    jeudi, 23 novembre 2017 22:55
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.