RN5 : Fiara mpitatitra nifatratra tany an-tokontanin'olona

  • lundi, 15 mai 2017 22:00
  • Britto
  • Sary nomena

Omaly alahady tokony tamin’ny 06ora maraina no nisehoan’ny loza. Fiara minibus Mazda nitondra mpandeha am-polony no niala lalana ka nifatratra tany an-tokontanin'olona.

Naratra mafy ny mpamily sy mpandeha teo anoloana. Ny mpandeha hafa kosa naratra ihany fa tsy mafy be loatra.

Noho ny fandehanana mafy nefa niala lavaka tampoka no nahatonga ny loza, iarahana mahalala anefa, fa tena ratsy ny lalam-pirenena faha-5 amin’izao fotoana izao, na dia ny miala eo Toamasina ka hatreo Fenoarivo Atsinanana aza.

 

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa