Frantsa: Edouard Philippe voatendry ho Praiminisitra

  • lundi, 15 mai 2017 16:37
  • Tigre
  • Sary nindramina

24 ora taorian'ny nandraisan'i Emmanuel Micron fahefana, Filoha vaovaon'ny Frantsa, dia voatendry ho Praiminisitra ny député-maire any Le Havre, Edouard Philippe.

Izy dia akaiky an'i Alain Juppé, ao amin'ny antoko ankavanana, 46 taona ny lehilahy.

Ora iray aorian'ny fanendrena, amin'ny 4 ora tolak'andro any Frantsa (Amin'ny 5 ora tolak'andro aty Madagasikara), dia efa hanao famindram-pahefana ny praiminisitra teo aloha Bernard Cazeneuve.

Hita tokoa fa filoha tanora no mitondra ka dia haingam-pandeha toy ny TGV (Train à grande vitesse) ny fintantanana ny fiainam-pirenena.

Aiza ho aiza ny sambo malagasy, telo volana tsy mahatendry Praiminisitra, efa-taona tsy mahatendry masoivoho na ambasadera iray?

Tsss!!

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa