Korea Avaratra: Nanapoaka misila mitodika any amin'ny toeram-pamaharana amerikanina i Kim Jong Un

  • lundi, 15 mai 2017 16:28
  • Tigre
  • Sary nindramina Net

Raha ny voalaza dia nahomby ny fandefasana misila nataon'ny Korea Avaratra, omaly alahady. Afaka mitondra baomba atomika io misila io araky ny fandinihan'ny mpahay fitaovam-piadiana azy.

Natodika any amin'ny toeram-pamaharan'ny Amerikanina ao amin'ny ranomasina pasifika io misila io. Nahavita niakatra 2 111 m ny ahavony, ary nitety 787 km ny halavirana takany, alohan'ny nilatsahany tao andranomasin'ny Japon.

Nanambara ny Filoha Amerikanina Donald Trump fa hisy vali-kafatra mavesatra ataony.

Hivory maika ny ONU rahampitso talata 16 mey, manoloana izao toe-draharaha izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa