Halatra lakolosy tao Voloina Maroantsetra : Ben’ny tanàna iray nidoboka am-ponja, tovolahy iray 15 taona maty voatifitry ny Zandary

  • dimanche, 14 mai 2017 17:34
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina

Nivadika sakoroka sy fitsaram-bahoaka ny fahaverezana lakolosy nitranga tao amin’ny EPP Voloina Maroantsetra ny herinandro lasa teo. Tratra tao an-tranon’ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana ilay lakolosy nandritra ny fisavan’ny Zandary ny tranony. Mbola nahitana lavanilina halatra sy vola an-jatony tapitrisa ihany koa tao an-tranony, ka naparitaky ny olona teny an-tokontany.

Tezitra ny olona ka mitaky ny hampiharana fitsaram-bahoaka amin’ny Ben’ny Tanàna. Tsy nanaiky anefa ny Zandary nanao ny fisamborana, ka raikitra teo ny sakoroka ka nahatonga ilay tovolahy 15 taona maty voatifitry ny Zandary. Nodoran'ny olona ny moto sy ny fiaran'ny Ben'ny Tanàna.

Namoaka didy savaranonando mitazona am-ponja vonjimaika an’ingahy Ben’ny tanàna, izay avy amin’ny antokon’ny mpitondra, ny Tonia mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Maroantsetra, rehefa natolotry ny Zandary ny Fampanoavana ny raharaha.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa