Sambava : Lavanila 20 baoritra tratra saika haondrana any Eoropa

  • mardi, 09 mai 2017 22:13
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

Lavanila milanja 762 Kg natao tao anaty baoritra miisa 20 saika haondrana any Eoropa no sarona tsy nanana taratasy ara-dalana teny amin’ny seranam-piaramanidina Sambava androany maraina.

Nidina teny an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra SAVA Sabotsy Samuel ary nanazava ny antony nanakanana ity lavanila ity. Nambarany fa tsy maintsy manana « Autorisation d’exportation » sy taratasy manamarina fandoavana « ristourne » ny lavanila rehetra hivoaka ny Faritra SAVA na haondrana any ivelany.

“Noho ny tsy fisian’ireo antonta-taratasy ireo no nahatonga anay tsy namela ny hitondrana ireo entana ireo tamin’ny fiaramanidina androany maraina”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra mba hialana amin’ny gaboraraka lava izao eto Madagasikara.

 

Commentaire (1)
  • Xenical 600 Mg Cialis Y Paracetamol Online Generic Viagra Reviews [url=http://lowpricecial.com]cialis price[/url] Zithromax Skin Peeling Cialis 36 Hrs Cephalexin For Horses
    lundi, 27 novembre 2017 14:13
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.