Fifidianana any Frantsa : Kandida efatra no misongadina

  • jeudi, 20 avril 2017 11:33
  • Andry Baliba

Kandida efatra amin’ireo 11 no tena misongadina ankehitriny amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena any Frantsa izay hiditra amin’ny fihodinana voalohany amin’ny alahady izao.

Anisan’ireo miavaka i Emmanuel Macron, François Fillon, Jean Luc Melanchon ary Marine Le Pen.

Manodidina ny 20% eo avokoa ny salan’isan’izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao telo andro alohan’ny fifidianana. Mampanano sarotra ny fampielezan-kevitr’ireo kandida any an-torerana kosa ny firongatry ny asa fampihorohoroana izay toa mikendry ireo kandida.

Ny talata teo tany Marseille dia nisy mpanao asa fampihorohoroana roalahy indray no tratran’ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany.

Commentaire (1)
  • Viagra E Solfatare Finax Generic Propecia Mefloquine [url=http://genericviabuy.com]viagra online prescription[/url] No Rx Needed Thyroid Amoxicillin Chlymidia
    samedi, 07 octobre 2017 14:44
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa