Amboasary Atsimo : Tsy manana birao ny Komisaria

  • jeudi, 20 avril 2017 11:09
  • Andry Baliba
  • Sary AN

Aty Amboasary Atsimo dia tsy mbola manana trano fiasana ny Komisarian’ny Polisy fa ny tranon’ny Croix-rouge no ampiasain’izy ireo efa ho taona maro izao. Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamentra ihany ho an’ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminana anatiny.

Nahitam-pahasimbana izany birao izany ankehitriny ka nahatonga an-dramatoa solombavambahoakan’i Madagasikara, ANGELE Solange, voafidy taty an-toerana nanolotra tafo fanitso miisa 52 mba hanamboarana izany birao izany. Nanararaotra nanao antso avo amin’ny fanjakana ihany koa ity olom-boafidy ity ny mba hanomezana birao ny Komisarian’ Amboasary Atsimo nandritra ny fotoana nanolorany ireo tafo fanitso ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa