Mahajanga : Roalahy raindahiny amin'ny fanendahana sarona

  • mercredi, 19 avril 2017 22:45
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Eny amin'ny Pont Mady sy ny manodidina no tena fanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Nandritra ny fety anefa somary niova toerana teny amin'ny “Bord de la mer” izy ireo nanararaotra ny habetsahan'ny mpitsangatsangana.

Tamin'ny Alatsinainin'ny Paska dia tovovavy roa no lasibatr’izy roalahy ka lasa tamin'izany ny finday avo lenta. Nisy nahatsikaritra ny zava-niseho ka nanaraka azy ireo. Tsy lasa lavitra fa teo amin'ny fiantsonan’ny bus Zotra 7 no tratra izy ireo ary mbola tany amin'izy ireo ny zavatra nangalariny.

Atao famotorana eny amin'ny Polisin'ny Boriborintany Voalohany eny Analakely Mahajanga izy roalahy ireto mialohan'ny hanolorana azy ny Fampanoavana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa