Amborovy Mahajanga : Mpangalatra akoho saika matin'ny fitsaram-bahoaka

  • mercredi, 19 avril 2017 22:34
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Fangalarana akoho miisa valo no saika namoizan'ity tovolahy vao 24 taona monja ity ny ainy. Teny am-pilanjana ireo akoho avy nangalariny izy no nifanena tamin'olona, rehefa nanontaniana anefa dia tsy nazava tsara ny valinteniny na entina aiza ireo akoho na ho atao inona fa avy hatrany dia napetrany ary nandositra izy.

Nifanenjehan'ny Fokonolona ary tratra ka niharan'ny hatezeran'ny vahoaka teo. Efa tonga teo rahateo ny tompon'ireo akoho izay nanamarina fa nangalarin'ity tovolahy ity ireo akoho ireo. Raha tsy tonga ny Zandary dia matin'ny olona teo ity farany satria efa voafira famaky ny handriny ankoatra ny daroka nahazo azy.

Ireo Zandary no nitondra azy tany amin'ny hopitaliben'Androva niaraka tamin'ireo tompon'ny akoho ary ny filohan'ny vakim-paritra Ambalabozy-Amborovy Mahajanga.

Rehefa tonga teny amin'ny sampana Vonjy Aina anefa tsy nisy na inona na inona azo natao satria nila fanafody vao afaka niroso tamin'ny fandraisana an-tanana ireo mpitsabo. Voatery natao antoka tao amin'ny fivarotam-panafodin'ny hopitaly indray ireo akoho nangalariny hanavotana ny ainy. Nitentina iray hetsy Ariary mantsy ny vidin'ireo fanafody tsy maintsy nilaina vao afaka noraisina an-tanana ity mpangalatra ity.

Mbola ambenan'ny Zandary akaiky eny amin'ny hopitaly ilay tovolahy nangalatra akoho hatreto hisorohana ny mety ho fiitaran'ny raharaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa