Mananjary : Mikatona ny biraon’ny Kaominina

  • mardi, 18 avril 2017 22:15
  • Britto

Niveri-potsiny ireo olona nanan-draharaha hatao tao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mananjary androany, fa nikatona ny birao.

Mitokona mitaky handoavana ny karama telo volana tsy voaloa ny mpiasa ary koa mitaky ny hanesorana amin’ny toerany ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina.

Vary mangatsika tamin’ny fitantanana teo aloha io karama telo volana tsy voaloa io, hoy ny Ben’ny tanàna, Dr Marolahy Modeste. Nilaza ity farany fa miankina amin’ny vola miditra amin’ny Kaominina no ahafahana manefa io trosa io, saingy hatreto tsy manana fahafahana momba izany ny Kaominina.

Mikasika ny fanesorana ny Sekretera jeneraly takian'ny mpiasan'ny Kaominina ambonivohitr'i Mananjary kosa dia, nambarany fa misy dingana sy fepetra voalazan'ny lalàna mamaritra izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa