Sambava : Nilamina ny fetin’ny Paska tamin’ny ankapobeny

  • mardi, 18 avril 2017 12:19
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

Betsaka ireo fialamboly ka samy nifidy ny tiany sy ny mahafinaritra azy daholo na ny ankizy na ny lehibe.

Tao ireo nisafidy nisintaka kely ny tanàna. Tsy vitsy koa ireo fianakaviana nifidy manokana ny teny amin’ny torapasika, na dia henjana aza ny fepetra noraisina noho ny mbola tsy fahitana ilay ankizivavy 13 taona, mpianatry ny CEG Maherifody Antalaha izay natelin'ny ranomasina efatra andro lasa izay.

Nisy koa ireo nisafidy ny nandeha nijery ny fifaninanana hazakazaka moto Cross izay sambasamba nisy teto Sambava, tao amin’ny Stade Municipal Ambodisatrana.

Ankoatra izay dia ankizy 200 isa no notoloran’i Depiote Mamangy Norbert, omby miisa telo ho nofonkena mitam-pihavanana nandraitra ny Alatsinain’ny Paska.

Na izany aza dia nisy ihany ny indro kely vokatry ny lozam-piarakodia. Fiara mpitatitra olona handeha hanao fety tany Farahalana no nifandona tamin’ny moto tao Antanondronono, vokany, olona telo no naratra.

Olona miisa fito no nandalo tao amin’ny sampana Vonjy Aina hopitalibe Besopaka ka telo tamin’ireo no voatery nampidirina hopitaly noho lozam-pifamoivoizina.

Mpangarom-paoso iray ihany koa no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny Kianja monisipaly raha tsy tonga haingana ny Polisy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa