Marovoay : Mampitaraina ny mponina ny haratsin’ny lalana eto antampon-tanàna

  • mardi, 18 avril 2017 12:13
  • Britto

Mamovoka rehefa maina ny andro, mamotaka rehefa avy orana. Mitarika aretina ho an’ireo mponina. Aman-taonany maro izay no nokasaina hanamboarana ny lalana eto antampo tanànan’i Marovoay saingy tsy mbola vita izany hatramin’izao.

Ampahan-dalana miditra ny tanàna ihany no vita tara fa ny ankoatra izay dia vovoka sy fotaka no diavin’ny mponina sy ny mpitsidika ity renivohitry ny distrika izay isany mpamokatra vary be indrindra eto Madagasikara ity.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa