Sambava : Sarona ireo ankizy mpandroba “Panneau solaire”

  • mardi, 21 mars 2017 19:40
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

Tra-tehaky ny Fokonolona tao amin’ny Fokontany Besopaka Sambava ireto zazalahy tsy ampy taona roa, 14 taona sy17 taona, raha nihanika ny tafo hanendaka “panneau solaire”. Raha tsy tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy roalahy.

Rehefa nanaovana famotorana izy ireo dia niaiky ary nanambara ny mpividy ny entana avy nangalarin’izy ireo. 50.000 Ariary no ivarotan’izy ireo ny “Panneau solaire” iray, ka tovolahy iray, 26 taona, no mpividy ny entana. Nosamborina ihany koa io.

Hatolotra ny Fitsarana ambarantonga voalohany any Antalaha ireto andian-tanora mpandroba ireto taorian’ny famotorana nataon’ny Polisy azy ireo.

Nanantintrantitra ny Commissaire de Police Tsara Nestor ho an’ireo Ray aman-dreny manan-janaka tsy ampy taona, mba samy hanara-maso ny zanak’izy ireo indrindra amin’ny alina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.