130 taona nidiran'ny finoana tao Ambalavao : Nifarana omaly ny fankalazana

  • lundi, 20 mars 2017 11:07
  • Britto

Lamesa notarihin'ny Vicaire Général eto amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa no nentina nanakantona ny fanamarihana ny andron'ny alahady 19 marsa 2017.

Manampahefana sy olomanakaja maro no tonga nanotrona izany ankoatran'ny Lehiben'ny fikambanana Fianakaviana Masina (Sainte Famille) eto Madagasikara.

Fantatra tao anatin'ny tantara fa ny 6 jona 1886 no tonga namaky lay ireo misionera fa ny 7 jolay 1887 kosa vao natao ny lamesa voalohany tao an-toerana.

Ankehitriny dia ny pretra diosezianina no mitantana ny Distrikan'Ambalavao na dia misehatra eny ambanivohitra aza ny mompera avy ao amin'ny Fianakaviana Masina.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa