Fitaterana: Ireo Taxi-be mendrika

  • vendredi, 17 mars 2017 23:20
  • Tigre
  • Sary Njaka

Nampahafantarina androany ireo fiara mpitatitra na ny Taxi-be izay tsara fitondran-tena sy mendrika indrindra teto anivon’ny Kaominina Antananarivo tamin’ny taona 2016, izay nokarakarain’ny ONG Lalana.

Izany moa no natao dia ny mba hanatsarana ny fomba fanaja, fitondrana fiara ary fihezahan’ireo mpitondra sy ny mpanampy azy manoloana ireo mpandeha ho an’ireo Taxi be.

Ny nahazo ny laharana voalohany tamin’izany moa dia ny Koperativan’ny KOFIA izay zotra 172, ny faharoa kosa dia ny zotra 178 Koperativan’ny FITSEMA ary ny fahatelo dia ny zotra 183 Koperativan’ny CAT.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa