Ambodifizika Mahambo : Rangahy iray mpiambina lavanilina eny an-tsaha maty notetehan’ny jiolahy

  • lundi, 13 mars 2017 15:47
  • Britto

Ny alin’ny 09 martsa teo ity rangahy tokony ho 40 taona ity, izay miambina ny lavanilina any an-tsaha ao Ambodifizika Mahambo, Faritra Analanjirofo, no nokapain’ireo jiolahy tamin’ny antsy. Mbola afaka niantso vonjy sy namaly anefa ny tenany na izany aza, ka ny fahatongavan’ireo Fokonolona nandre ny antsony no nampitsoaka ireo jiolahy, tsy nahazo na lavanilina tangozany iray aza.

Nentin’ny Fokonolona tany amin’ny hopitalin’i Fenoarivo Atsinanana ilay naratra saingy teny an-dalana dia tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.

Vao nahare ny fahafatesan’ny zaodahiny koa ity rangahy iray dia niezaka nanara-dia ireto Fokonolona saingy vokatry ny fikoropahany dia maty nodomin’ny fiara koa ny tenany. Efa eo am-pelan-tanan’ny Zandary ao Fenoarivo Atsinanana ny raharaha koa andrasana ny ho tohiny.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.