Befandriana Avaratra : 600 Ariary ny kapoakam-bary

  • lundi, 13 mars 2017 14:50
  • Britto

Niakatra 250Ar ny vidim-bary tato anatin’ny telo volana taty Befandriana Avaratra, faritra Sofia.

600 Ariary ankehitriny ny kapoakam-bary, raha 350 Ariary izany tamin’ny volana desambra 2016. Nisy fiakarany 250Ar ny vidim-bary tao anatin’ny telo volana. Mitaraina ny mpanjifa manoloana izany, Befandriana Avaratra rahateo dia Distrika isany mpamokatra vary.

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo no nampiakatra ny vidim-bary io. Misy ny tahirim-bary fa ireo mpamogady no voalaza fa manararaotra.

Rotsak’orana no tena nentin’ny rivodoza Enawo taty Befandriana Avaratra, ka nampiakatra ireo renirano sy nanondraka tanimbary.

Nisy olona iray namoy ny ainy, vehivavy iray hafa sahabo ho 50 taona eo ihany koa no naratra nianjeran’ny trano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.