Enawo : Tapaka ny lalana Marolambo - Mahanoro

  • jeudi, 09 mars 2017 20:26
  • Britto
  • Sary nomena

Namela takaitra taty amin’ny Distrikan’i Marolambo ny rivodoza Enawo. Potika ny voly vokatry ny fiakaran'ny renirano Nosivolo sy Sandranamby.

Tapaka ny lalana mampitohy ny renivohitry ny Distrika amin'ireo kaominina manodidina noho ny fiakaran'ireo renirano ireo.

Tapaka ihany koa ny lalana mampitohy an'i Marolambo sy Mahanoro.

Noho io dia miakatra avo roa heny ny vidin-javatra ilain’ny mponina andavanandro toy ny siramamy, menaka labozia, ... Ny vary izao efa 800 Ariary ny iray kapoaka.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.