Maroantsetra : Tsy misy jiro

  • mercredi, 08 mars 2017 10:50
  • Britto

Tapaka nanomboka ny alatsinainy 6 martsa tamin'ny 9 ora alina ny jiro teto Maroantsetra ary tsy mbola miverina amin'izao alarobia maraina izao.

Sarotra ny fifandraisana, sy ny fahazoam-baovao mikasika ny fiantraikan'ny rivodoza Enawo, indrindra amin'ireo kaominina ambanivolo.

Miantso ny handefasana haingana tranolay hipetrahan'ny traboina ny lehiben'ny Distrika satria saika feno avokoa ny toerana toy ny sekoly sy Fiangonana itobian'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.