Toetrandro: Mahery vaika i ENAWO

  • dimanche, 05 mars 2017 16:21
  • Tigre
  • Sary Satellite Sat24 anio 14h45 sy Sary Météo Malagasy 04 mars 2017

Mikisaka miadana mianatsimo ilay rivodoza ‘ENAWO’. Tamin’ny 12 ora omaly asabotsy 04 marsa dia tany amin’ny 698 Km Avaratra Atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny.

Miakatra ho 83 Km/ora ny rivotra entiny ary tafiditra mahatratra 120 Km/ora manodidina ny foibeny.

Nanomboka omaly alina, HITOHY HATRANY ANY NY FANATONANY an’i MADAGASIKARA.

Hitombo hery izy mandritra ny faran’ny herinandro ity ka tombanana ho lasa RIVODOZA MAHERY VAIKA.

Vinavinaina hiditra antanety eo anelanelan’ny Toamasina sy Antalaha izy ny alatsinainy 06 Marsa alina na ny talata 07 marsa vao MARAINA be ary HAMAKIVAKY ny afovoantany.

Manoloana izany dia manankery hatrany ny filazana fanairana (miloko maintso): Antsiranana I-II, SAVA, ANALANJIROFO ary ATSINANANA.

Ilazana ny mpiandriaka fa hahery ny ranomasina eo anelanelan’ny Toamasina sy Vohemar nanomboka ny sabotsy alina noho ny alondrano ateraky ENAWO.

Ho mafy ihany koa ny rivotra manomboka ny Alahady tolak’andro.

Loharanom-baovao: Météo Malagasy.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.