Tsaramandro Ambany - Mahajanga : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny polisy

  • vendredi, 03 mars 2017 10:50
  • Britto
  • Sary nindramina fampihaingoana

Ramatoa sendra nandalo no norobain’ireo jiolahy ny finday teny aminy. Nitsoaka ireo mpanendaka rehefa niantso vonjy ilay ramatoa ary niafina tsy lavitra ny toerana nanaovan’izy ireo asa ratsiny.

Nisy nahatsikaritra ny nisitrihan’izy ireo ka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Noraisi-potsiny teo ampifohana sigara izy roalahy ary nentina teny amin’ny tobin'ny Polisy eny Mozea Akiba Mahavoky Atsimo atao fanadihadiana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.