Ambatondrazaka : Miverina indray ireo mpitrandraka vato

  • mercredi, 11 janvier 2017 13:06
  • Britto
  • Sary Sobika Ambatondrazaka

Manao tohivakana indray ny fahatongavan’ny olona avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mankany amin’ny toeram-pitrandrahana vatosoa any Didy-Ambatondrazka. Nanala ny ampahan’ny fahasahiranan’ny sasany rahateo ny fisian’io fitrandrahana vatosoa any Didy io, ka mety izay no mahatonga izao firohotana izao.

Mitombo isa isan’andro ireo Malagasy avy any amin’ny faritra samihafa mila ravinahitra eto Ambatondrazaka noho io resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany io. Vokatr’izay anefa dia midangana ny vidim-piainana eto an-toerana ka mampitaraina ny mponina.

 sobika mpitrandraka vato Ambatondrazaka1

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa