Oniversite Mahajanga : Nahatsiaro ny raharaha 10 janoary 2014 ireo mpianatra

  • mardi, 10 janvier 2017 13:45
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Feno efa-taona amin’ity taona ity ny fitakiana nataon’ireo mpianatra izay nahafatesana mpianatra iray dia i Tiamananjara Emilien Félix ny 10 janoary 2014 ary naharatrana 11 hafa.

Niafara tamin’ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana ny fitakiana vatsi-pianarana sy ny fomba fizarana ny trano tamin’io.

Toy ny isan-taona dia manamarika io andro io hatrany ireo mpianatry ny Oniversite Mahajanga rehefa 10 Janoary. Nanatitra fehezam-boninkazo sy nanadio ny toerana misy ny tsangambato eo amin’ny toerana nahavoatifitra io mpianatra io eny Ambondrona ho fahatsiarovana an’i Tiamananjara Emilien Félix.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa