Raharaha Jirama Andapa : Nidina aty an-toerana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena

  • mardi, 10 janvier 2017 10:34
  • Britto
  • SarySobika Sambava

Tonga aty Andapa androany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max taorian’ny nahamay ny biraon’ny Jirama taty an-toerana omaly. Hijery ifotony sy hitady vahaolana momba izany no anisan’ny anton-diany.

Miara-dia aminy koa ny tompon’andraikitra roa avy amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia ny talen’ny fotodrafitrasa, Ramanantsoa Michel, sy ny talen’ny Spaoro federaly, Rakotozafy Rosa, hijery ny fomba hanantaterahana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa fanaovana fanatanjahantena mba haharitra sy manarapenitra.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa