Jiolahy mitam-basy : Voasambotra i Sylvain sy Sampy

  • dimanche, 08 janvier 2017 16:27
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina

Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-basy teto Toamasina izy ireo, ary mitondra moto “scooter” rehefa manao ny asa ratsiny. Maromaro ireo tranombarotra sy mpamongady efa norobain’izy ireo.

Telo lahy nenjehin’ny Polisy tao amin'ny Dépôt Analakininina ka i Sylvain sy Sampy no voasambotra fa tafaporitsaka niaraka tamin’ny basy poleta fitondran’izy ireo manafika ny iray namany.

Ao anatin’ny fanadihadiana azy roa lahy ny Polisy amin’izao, ka ny alatsinainy 9 janoary izy ireo no hatolotra ny Fitsarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa