Antsalovabe : Omby zato lasan’ny dahalo, nataon’izy ireo takalon'aina ny mpiarakandro

  • vendredi, 06 janvier 2017 20:53
  • Britto
  • Sary nindramina fampihaingoana

Notafihin’ny dahalo ny tao Betsatsango, Fokontany Antsalovabe-Distrika Antsalova androany vao maraina.

Omby zato latsaka kely no lasan'ny dahalo tamin’izany ary nataon’izy ireo takalon'aina ny mpiarakandro.

Nanaradia ny Fokonolona sy ny Tafika fa mbola tsy tafaverina hatramin’izao.

Ity no halatr'omby voalohany nitranga tamin’ity taona vaovao 2017 ity taty Antsalova.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa