Mangarivotra-Mahajanga : Tovolahy 25 taona, maty notsatotsatohana antsy

  • mardi, 03 janvier 2017 20:47
  • Britto
  • Sary nindramina

Mpivarotra finday eny amin'ny Vy Lava ity nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity. Androany maraina no hitan’ny olona teo akaikin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy – Mangarivotra ny faty mihosin-dra.

Dian’antsy telo (3) no hita tamin’ny vatany, ka ny iray tafiditra lanina nahazo ny fony ary io no heverina fa nitarika ny fahafatesany.

Navelan’ireo olon-dratsy teo ny moto nentin’ity lehilahy ity. Moto izay voalaza fa hitadiavana mpividy ary tsy azy fa an'ny namany izay mpiara-mivarotra aminy.

Efa nalain’ny fianakaviana ny razana ary misokatra ny fanadihadiana mahakasika izao vono olona feno habibiana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa